4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Toky fitia (asnah) - Ny Ainga

Na ho jaly na ho tomany

No ho fiainako eto an-tany

Tsy ho kivy fa safidy

Na ho tojo izay mangidy

Na tsy hisy ny harena

Tsy hanary an-katerena

Fa izany no porofon’ny fitiavako anao



Na ho sedra sesilany

No ho làlana eto an-tany

Tsy mba resin’ny hakivina

Izay tantanan’ny olon-tiana

Fa mibitaka tokoa

Manan-jara anao ny fo

Tsy hamela anao ny foko

Fa hanjohy anao ety



Raha misy izay manjo

Na manohina ny fo

Aza dia miady irery

Fa inty aho, hanome hery

Satria izany no porofon’ny fitiavako anao

Hasambarana ho ahy

Zay ho anao ka tsy manahy

Ny fitopiko aminao

Dia efa hery  amin’ ny  atao

Tsy maniona akia,

Inty aho…matokia…

Fa izany no porofon’ ny fitiavako anao



Raha hisy izay hanjo

Na hanohina ny fo

Zay rehetra sitrakao,

ambarao fa dia hatao             x 2

Hataoko izany h@ izao

Ho fitiavako anao (x2)

Partager toky fitia (asnah)

Commenter toky fitia (asnah)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Ainga

Suite